Anio anio dia eny anio
Anio e fotoana tokony hibebahana
Andraisanao fanapahan-kevitra
Ka aza dia mangatak’andro re
Anio Jesosy miantso anao
Sao inty , inty no antso farany
Anehoany amianao ny fitiavany
Mandalo anie zao fiainana eto izao
Araraoty fa Jesosy anio mbola miala nenina aminao
Hatrizay ianao dia nanaram-po
Izay rehetra nety dia nandramana avokoa
Toa mamy am-piandohana fa mangidy fara
Ny nenina tsy aloha fa handatsa any am-para